2 Corinthians 4

1Noho izany, satria izahay manana izany asa fanompoana izany, ary vao nahazo famindram-po, dia kivy izahay. 2Fa kosa, nolavinay ireo fomba mahamenatra sy miafina. Tsy miaina amin’ny fitaka izahay, ary mampiasa marina ny tenin’Andriamanitra. Amin’ny fanehoana ny marina, izahay dia mandidy ny tenanay ny amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona mba ho entina eo imason’Andriamanitra.

3Fa raha voasarona ny filazantsaranay, izany dia ho voasarona amin’ireo izay maty irery ihany. 4Amin’ny toe-javatra mitranga amin’izy ireo, ny andriamanitr’izao tontolo izao nahajamba ireo saina tsy minon’izy ireo. Vokatry izany, tsy afaka mahita ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy izy ireo, izay endrik’Andriamanitra.

5Fa izahay tsy manambara ny tenanay, fa i Kristy Jesosy toy ny Tompo, ary ny tenanay toy ny mpanomponareo nohon’ny amin’i Jesosy. 6Fa Andriamanitra dia ilay iray izay niteny hoe: “Ny fahazavana hamiratra ao amin’ny haizina.” Izy namiratra tao am-ponay, mba hanome ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy.

7Fa izahay manana izany harena izany ao anaty tavoara tanimanga, mba hazava fa ny hery lehibe mihoatra lavitra dia an’Andriamanitra fa tsy anay. 8Ampahoriana amin’ny fomba rehetra izahay, fa tsy resy. Very hevitra izahay fa tsy feno famoizam-po. 9Enjehina izahay fa tsy nilaozana. Vonoina izahay fa tsy rava. 10Mitondra eo amin’ny tenanay ny fahafatesan’i Jesosy hatrany izahay, amin’izay ny fiainan’i Jesosy ihany koa dia hiseho eo amin’ny tenanay.

11Izahay izay velona dia mitondra hatrany ao amin’ny vatanay ny fahafatesan’i Jesosy, amin’izay ny fiainan’i Jesosy dia hiseho eo amin’ny vatanay olombelona. 12Noho izany ny fahafatesana dia miasa ao amintsika, fa ny fiainana miasa ao aminareo.

13Fa izahay manana fanahin’ny finoana mitovy araka izay voasoratra hoe: 14“Nino aho, ary dia niteny aho.” Mino ihany koa izahay, ary dia niteny ihany koa izahay. Fantatray fa ilay iray izay nanangana ny Tompo Jesosy dia hanangana antsika ihany koa miaraka amin’i Jesosy. Fantatray fa hitondra anay miaraka aminareo ao amin’ny fanatrehany Izy. 15Ny zava-drehetra dia ho anareo mba, araka ny fahasoavana voaparitaka tamin’ny olona maro, no hitomboan’ny fanomezam-pisaorana ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

16Noho izany dia tsy ho kivy izahay. Na dia malemy ivelany aza izahay, dia havaozina isan’andro isan’andro ny ao anatinay. 17Fa amin’izao andro mandalo izao, ny fahoriana maivana dia manomana anay ho amin’ny lanjan’ny voninahitra maharitra mandrakizay izay mihoatra ny fandanjna rehetra. Fa isika tsy mijery zavatra izay hita, fa ireo zavatra tsy hita. Ireo zavatra izay mety hitantsika dia tsy maharitra, fa ireo zavatra izay tsy hita dia maharitra mandrakizay.

18

Copyright information for PltULB